Actualités

Retour aux actualités
Ireo tanora mpikambana ao amin’ny Malagasy Miara-Miainga mandray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny fiofanana ao amin’ny Akademia MMM.

Nanomboka ny andiany faharoa amin’ny fotoam-piofanana ao amin’ny Akademia Malagasy Miara-Miainga (MMM). Tonga mavitrika ireo tanora mpikambana ao amin’ny Antoko MMM avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara, hanitatra ny fahalalany sy hanamafy ny fahaiza-manaony.

Fanofanana tanora vonona handray andraikitra

Mifanaraka amin’ny foto-kevitra sy ny vina ijoroan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny fanofanana tanora vanona sy vonona handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Anisan’ny tanjona kendrena amin’izany ny fampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hahafahan’ny faritra tsirairay mampiasa sy manome lanja ny harena sy ny zava-misy eo aminy, mba hahatonga azy ho Faritra Mahazaka Tena.

Fampandrosoana ifotony, etika ary marketing territorial

Nizara ny traikefany sy ny fahalalany tamin’ireo tanora ny mpampiofana, izay mpikambana ao amin’ny Birao Politikan’ny Antoko MMM, ary efa nitana na mbola mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Nifantoka tamin’ny sehatra telo lehibe ny fampianarana tamin’ity andiany faharoa ity :

  • Fampandrosoana ifotony (développement local) : fanamafisana ny fahalalana momba ny fampandrosoana miainga eny anivon’ny faritra sy ny vondrom-piarahamonina.
  • Etika sy fahitsiana (éthique et intégrité) : fampiroboroboana ny soatoavina sy ny fitondran-tena mendrika ilaina amin’ny fandraisana andraikitra.
  • Fampiroboroboana ny maha-izy azy sy ny mampiavaka ny faritra (marketing territorial) : fanomezana lanja ireo harena, kolontsaina ary tombony manokana ananan’ny faritra tsirairay.

Fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-mitarika

Hitohy ny ampitso ny fotoam-piofanana, ka taranja hafa indray no hodinihan’ireo tanora mpandray anjara.

Ny tanjona dia ny hanamafisana hatrany ny fahalalana, ny soatoavina ary ny fahaiza-mitarika ilaina amin’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ny firenena.

Amin’ny alalan’ny Akademia MMM, ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia manohy ny ezaka fanomanana ireo tanora ho amin’ny fandraisana andraikitra, mifanaraka amin’ny vina momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ny faritra.


Akademia Malagasy Miara-Miainga (MMM) — Andiany faharoa amin’ny fanofanana tanora, 2026.