Actualités

Retour aux actualités
Hajo Andrianainarivelo manolotra amin’ny Filohan’ny Fanavaozana Michael Randrianirina ny soso-kevitry ny MMM momba ny lalam-pifidianana sy ny CEN

Tonga namaly ny antson’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Antoko Malagasy Miara-Miainga androany, ary nisaotra azy tamin’ny fanasana handray anjara tamin'ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto amintsika.

Fotoana ihany koa nanoloran’ny Antoko tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Fitondrana fanavaozana,ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena,ary ny CENI,ny antotan-kevitry ny MMM izay efa voadinika hatry ny ela, momba ny fanatsarana ny lalam-pifidianana,ny rafim-pifidianana,ary indrindra ny soso-kevitra momba ny sata mifehy ny CENI

(Avant proposition de loi organique fixant le nouveau régime général des élections et les référendums / Avant Projet de loi relatif au statut de la CENI).

Ny tanjona dia ny hananana fifidianana mangarahara, azo itokisana,eken'ny rehetra,ary mifanaraka amin’ny fanjakana tan-dalàna mba hizoran’i Madagasikara amin’ny fenitra demokratika marina.