Actualités

Retour aux actualités
Fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy Miara-Miainga tao Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, taona 2026.

Ny faritra Analanjirofo no faritra faha-15 nahavita ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM). Tao Fenoarivo Atsinanana no nihaonan’ireo mpikatroka avy amin’ny distrikan’i Vavatenina, Soanierana Ivongo ary Sainte-Marie, nitondra ny heviny sy ny hetahetany momba ny fampandrosoana ny faritra sy ny hoavin’ny firenena.

Fifidianana mangarahara sy fitsinjaram-pahefana tena izy

Nifantoka indrindra tamin’ny fanadiovana ny tontolon’ny fifidianana sy ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny adihevitra.

Nohamafisin’ireo mpikatroka ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny Faritra Mahazaka Tena, mba hahafahan’ny olom-pirenena mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy.

Mba hahatanteraka izany, dia tokony hotantanan’ny olom-boafidy nahazo ny fitokisan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara ny faritra. Tokony homena fahefana sy fahafahana ary fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny ihany koa ireo mpitantana, mba hisian’ny tamberin’andraikitra sy ny vahaolana mamaly ny filan’ny mponina eny ifotony.

Fanjakana tan-dalàna sy ady amin’ny kolikoly

Teo am-pamaranana ny fikaonandoha, nizara ny fomba fijerin’ny MMM momba ny raharaham-pirenena ny Filohan’ny Antoko, Atoa Hajo Andrianainarivelo, sy ireo solontenan’ny Birao Politika.

Nohamafisina tamin’izany ny tokony hampiharana ny lalàna amin’ny rehetra tsy an-kanavaka, indrindra amin’ireo voarohirohy amin’ny kolikoly.

Araka ny fijerin’ny MMM, tsy misy fanavaozana marina raha tsy mijoro ny fanjakana tan-dalàna.


Malagasy Miara-Miainga (MMM) — Fikaonandoham-paritra Analanjirofo, 2026.