Actualités

Retour aux actualités

Antoko velona sy matanjaka ny MMM eto amin'ny Faritra Boeny. Voaporofo izany nandritra ny fakan-kevitra ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena, izay nahitana solontena avy amin'ireo distrika enina: Mahajanga I, Mahajanga II, Ambato-Boeny, Marovoay, Mitsinjo ary Soalala. Toa an'ireo faritra hafa izay efa nahavita ny zaikaben'ny Antoko,dia niray feo ny mpikatroka MMM teto Boeny fa ilaina ny Faritra Mahazaka Tena, mba hahafahana mamaha haingana ireo olana eny ifotony.