Actualités

Retour aux actualités
Fikaonandoham-paritry ny Antoko MMM tao Ambatondrazaka niarahana tamin’ireo mpikambana avy eto Alaotra Mangoro

Mafy sy matanjaka ny Antoko MMM eto Alaotra Mangoro. Voaporofo izany nandritra ny fikaonandoham-paritry ny Antoko, izay natao teto Ambatondrazaka androany.

Nafana ny adihevitra momba ny fanatsarana ny fitantanana ny firenena, ny fanjakana tan-dalàna, ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny mangarahara, ary indrindra ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanohanana ny tantsaha.

Nohamafisin’ny MMM ihany koa ireo tolo-kevitra efa natolotry ny Antoko momba ny fanavaozana ny rafim-pifidianana, na teo anatrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, na ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, na ny CENI.

Anisan’izany ny :

  • Fahafahan’ny ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany(Diaspora) mifidy ;
  • Fanasaziana ireo manao na mampanao hosoka amin’ny fifidianana ;
  • Fanamafisana fa Malagasy mizaka ny zom-pirenena Malagasy tokana ihany no afaka milatsaka ho fidina ho Filohan’ny Repoblika.

Tsy mijanona amin’ny fanakianana ny MMM, fa mitondra vahaolana sy tolo-kevitra mivaingana ho an’ny fanavaozana ny firenena.

Ireo antontan-kevitra sy tolo-kevitra natolotry ny MMM rehetra ireo dia azo jerena ao amin’ny tranokalan’ny Antoko.