Teto Ambositra, renivohitry ny faritra Amoron’i Mania, no nanohizan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) ny fikaonandoham-paritra androany.
Sehatra nahafahan’ireo olom-pirenena avy amin’ny distrikan’i Fandriana, Ambatofinandrahana, Manandriana ary Ambositra nitondra ny heviny mahakasika ny zava-misy iainan’izy ireo eny ifotony izany.
Marolafy ny hevitra nivoaka, fa anisan’ny tena nibahan-toerana ny tokony hanomezana fahefana bebe kokoa ny isam-paritra, hahafahana mamaha haingana ireo olana eny ifotony, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny tsy fandriampahalemana ary ny fanabeazana.
Nambaran’ny Filohan’ny Antoko, Atoa Hajo Andrianainarivelo, fa ny fikaonandoham-pirenena no sehatra hahafahana manapaka ny karazana fifidianana hatao, mba hametrahana ireo rafitra sy andrim-panjakana voalazan’ny Lalàmpanorenana vaovao izay nolaniana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Nohamafisiny ihany koa fa, mialoha izany, dia mila havaozina ny lalàna fototra mikasika ny fifidianana sy ny CENI.
#Fikaonandoham_paritra #Amoron_i_Mania #Faritra_Mahazaka_Tena #MMM_2026






