Ny faritra Atsimo Atsinanana no nanohizan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) ny fakan-kevitra tety ifotony androany. Voasolontena avokoa ireo distrika dimy : Befotaka, Farafangana, Midongy, Vangaindrano ary Vondrozo.
Manakaiky ny fikaonandoham-pirenena. Zava-dehibe, araka izany, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fihainoana ny hetahetan’ireo mpiray tanindrazana isam-paritra, mba hahafahana mamolavola fehin-kevitra iraisana hoentin’ny MMM any amin’ny dinika nasionaly, ary hanatsarana hatrany ny vinan’ny Antoko.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Antoko, Atoa Hajo Andrianainarivelo, fa tokony homena ny tompon’andraikitra eny ifotony ny anjara andraikitra, ny fahefana ary ny enti-manana ilainy, mba hiainga eny ifotony ny fampandrosoana ary hahafahan’ny faritra tsirairay mahazaka tena.
#Fikaonandoham_paritra #Atsimo_Atsinanana #Faritra_mahazaka_tena #MMM_2026




