Ambohim-pihaonan’ireo mpikatroka ao amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) aty amin’ny faritra Sofia ny teto Boriziny androany. Nahitana solontena avokoa ireo distrika fito : Analalava, Antsohihy, Befandriana Avaratra, Bealanana, Boriziny, Mampikony ary Mandritsara.
Nafana ny fifanakalozan-kevitra. Niverimberina matetika ny resaka momba ny rano fisotro madio, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanabeazana ary ny tsy fandriampahalemana.
Nandritra ny dinika dia noresahina ihany koa ny fametrahana ny faritra mahazaka tena, mba hahafahan’ny faritra tsirairay mandray andraikitra bebe kokoa amin’ny famahana ireo olana sedrain’ny mponina eny ifotony.
Nitondra hafatra ho an’ireo mpizaika ihany koa ny Filohan’ny MMM, Atoa Hajo Andrianainarivelo, momba ny tokony hahasaro-piaro ny tsirairay amin’ny safidiny sy ny fahasahiana mijoro amin’ny foto-kevitra vohizin’ny Antoko.
Hitohy any amin’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Itasy ny fakan-kevitra ataon’ny MMM eny ifotony, ho fanomanana ny fandraisan’ny Antoko anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM.
#Fikaonandoham_paritra #Sofia #Faritra_Mahazaka_Tena #MMM_2026




