Actualités

Retour aux actualités
Fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga MMM tao Antsirabe Vakinankaratra niaraka tamin’ireo solontenan’ny distrika fito

Feno hipoka ny efitrano teto Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra, nandritra ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) androany.

Nafana ny adihevitra niarahana tamin’ireo mpizaika avy amin’ny distrika fito : Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Faratsiho ary Mandoto.

Lohahevitra maro samihafa no nodinihina. Anisan’izany ny tokony hanohanana ireo tanora atleta Malagasy avy eto Vakinankaratra, ny ahiahin’ireo mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana kasaina hatao, ny zon’ireo olona manana fahasembanana, ary ny olana sedrain’ireo tantsaha mpamokatra.

Manoloana ireo hetaheta samihafa ireo, dia nanamafy ny Antoko MMM fa ny fametrahana ny faritra mahazaka tena no hahafahan’ny faritra tsirairay mandray an-tanana sy mamaha ireo olana miantraika amin’ny fiainan’ny olom-pirenena eny ifotony.

#Fikaonandoha_paritra #Vakinankaratra #Faritra_mahazaka_tena #MMM_2026