Vory lanona ny teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fikaonandohan’ny Antoko MMM androany. Voasolontena avokoa ireo distrika fito: Fianarantsoa, Ambalavao, Ambohimahasoa, Ikalamavony, Isandra, Lalangina ary Vohibato.
Ankoatra ny fanavaozana ny birao hitantana ny Antoko eny ifotony, maro ireo fehin-kevitra sy soso-kevitra avy amin'ny mpizaika, izay hoentina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena,ary indrindra hanatsarana ny vinan'ny Antoko ho amin'ny ho avy.







