Actualités

Retour aux actualités
Fikaonandoham-paritra faha-17 nataon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga tao Toliara, faritra Atsimo Andrefana, niarahana tamin’ireo mpikatroka sy tanora mpianatra.

Ny Faritra Atsimo Andrefana no faritra faha-17 nahavita ny fikaonandoham-paritry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM). Tao Toliara no nanohizan’ny Antoko ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiray tanindrazana, ho fihainoana ny hetahetany sy hampahafantarana ny foto-kevitra ijoroan’ny MMM.

Araka ny tatitry ny Antoko, maherin’ny 10 000 kilometatra no efa nodiaviny nandritra ireo fitsidihana sy fikaonandoham-paritra, ho fanakaikezana ny olom-pirenena sy ho fanangonana ny hevitra ary ny soso-kevitra avy eny ifotony.

Fanabeazana ara-politika sy fampahafantarana ny foto-kevitry ny MMM

Mitohy hatrany ny asa eny ifotony ataon’ny Malagasy Miara-Miainga, indrindra ny fanabeazana ara-potokevitra sy ara-politika ireo mpikambana, ary ny fampahafantarana amin’ny olom-pirenena ny foto-kevitra sy ny vina ijoroan’ny Antoko.

Anisan’ny votoatin’ny hafatra nozaraina nandritra ny fihaonana tao Toliara ny demokrasia afovoany (démocratie centriste), izay foto-kevitra fototra ijoroan’ny MMM.

Demokrasia afovoany : fifandanjana eo amin’ny toekarena sy ny rariny ara-tsosialy

Araka ny fanazavan’ny MMM, ny demokrasia afovoany dia firehana politika mijoro eo afovoany, tsy mirona amin’ny ankavanana na ankavia tafahoatra.

Mikatsaka ny fifandanjana eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny rariny ara-tsosialy izany foto-kevitra izany, sady manome lanja ny fifampidinihana, ny fanajana ny maha-olona ary ny fifanampiana eo amin’ny fiarahamonina.

Io no anisan’ny foto-kevitra tian’ny Antoko hampahafantarina bebe kokoa ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fihaonana sy ny fanabeazana politika karakarainy eny anivon’ny faritra.

Faritra Mahazaka Tena sy fitsinjaram-pahefana tena izy

Lohahevitra iray hafa nohamafisina nandritra ny fikaonandoha ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay isan’ny foto-kevitra efa nijoroan’ny Malagasy Miara-Miainga hatramin’izay.

Araka ny vina aroson’ny MMM, tokony hanana fahefana sy fahafahana bebe kokoa ny faritra tsirairay amin’ny fitantanana ny harenany sy ny famaritana ny lalam-pampandrosoana mifanaraka amin’ny filany.

Ny tanjona dia ny hahatonga ireo faritra ho Faritra Mahazaka Tena, hahafahan’ny mponina sy ny tompon’andraikitra eny ifotony mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy.

Tanora mpianatra nandray anjara mavitrika tao Toliara

Anisan’ny nisongadina tamin’ny fikaonandoha tao Toliara ny fandraisan’anjaran’ireo tanora mpianatra avy ao amin’ny Oniversiten’i Maninday, izay maro tamin’ireo nandray fitenenana sy naneho ny hetahetany.

Naneho ny fahalianany amin’ny raharaham-pirenena ireo tanora nandray anjara, ary nizara ny fomba fijeriny momba ny fanavaozana sy ny hoavin’i Madagasikara.

Ho an’ny MMM, manan-danja ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fiainam-pirenena, indrindra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanavaozana, satria anisan’ireo antenaina handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo.

Asa politika mitohy eny ifotony

Nohamafisin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nandritra ny fihaonana fa tsy tokony ho amin’ny fotoam-pifidianana ihany no hanaovana asa politika sy hifandraisana amin’ny olom-pirenena.

Araka ny nambaran’ny MMM, ny fanabeazana ara-politika, ny fampahafantarana ny foto-kevitra ijoroan’ny Antoko ary ny fihainoana ny hetahetan’ny mponina dia asa tokony hotohizana tsy tapaka.

Ao anatin’izany no hanohizan’ny MMM ny hetsika sy ny fakan-kevitra eny anivon’ny faritra, ho fanamafisana ny fifandraisana amin’ny olom-pirenena sy ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny raharaham-pirenena.


Malagasy Miara-Miainga (MMM) — Fikaonandoham-paritra faha-17, Atsimo Andrefana, Toliara, 2026.