Actualités

Retour aux actualités
Fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy Miara-Miainga tao Itasy, natrehan’ireo mpizaika avy amin’ny distrikan’Arivonimamo, Miarinarivo ary Soavinandriana.

Taorian’ny Faritra Analanjirofo, dia tao amin’ny Faritra Itasy indray no nanohizan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) ny fakan-kevitra ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Tonga maro ireo mpizaika avy amin’ny distrikan’Arivonimamo, Miarinarivo ary Soavinandriana, naneho an-kalalahana ny heviny sy ny hetahetany ary ireo olana sedrainy andavanandro.

Ny olan’ny tantsaha sy ny fahasahiranana eny ifotony

Anisan’ny nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitra ny fahasahiranan’ny tantsaha, ny olana momba ny fananan-tany, ny fahatapahan-jiro matetika, ny tsy fahampian’ny tobim-pahasalamana ary ny tsy fandriampahalemana.

Ireo olana ireo no anisan’ny noresahin’ireo mpizaika, izay nanana fahafahana nizara ny zava-misy iainan’ny mponina any amin’ny distrika samihafa mandrafitra ny Faritra Itasy.

Fifidianana mangarahara sy ady amin’ny kolikoly ara-pifidianana

Notsiahivina nandritra ny fikaonandoha ihany koa ny olana mifandraika amin’ny fifidianana, indrindra ny kolikoly ara-pifidianana sy ny hosoka izay nolazain’ireo mpizaika fa efa niainan’ny olom-pirenena tao Itasy.

Nivoitra tamin’ny fifanakalozan-kevitra ny maha-zava-dehibe ny fanadiovana ny tontolon’ny fifidianana sy ny fanamafisana ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny rafitra demokratika.

Faritra Mahazaka Tena : vahaolana aroson’ny MMM

Niray feo ireo mpizaika fa anisan’ny vahaolana lehibe entina mamaly ireo olana eny ifotony ny fametrahana ny Faritra Mahazaka Tena.

Foto-kevitra efa nijoroan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga hatramin’izay izany, satria amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy no ahafahan’ny faritra tsirairay mitantana ny harenany sy mandray andraikitra mivantana amin’ny fampandrosoana azy.

Araka ny vina ijoroan’ny MMM, ny fanomezana fahefana sy andraikitra bebe kokoa ny faritra dia hahafahan’ireo tompon’andraikitra eny ifotony mamolavola vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny mponina sy ny zava-misy eo an-toerana.

Hitohy any Atsimo Andrefana sy Menabe ny fakan-kevitra

Nasehon’ireo mpiray tanindrazana nandray anjara tamin’ny fikaonandoha tao Itasy ny fahalianany amin’ny raharaham-pirenena sy ny fahavononany handray anjara amin’ny famaritana ny ho avin’ny Tanindrazana.

Araka ny fandaharam-potoana nambaran’ny Antoko MMM, dia any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe no hitohizan’ny fakan-kevitra.

Ny tanjona dia ny hanohizana ny fihainoana ny feon’ny mponina sy ny fanangonana ireo hetaheta ary ny soso-kevitra avy eny ifotony, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena.


Malagasy Miara-Miainga (MMM) — Fikaonandoham-paritra Itasy, 2026.