Tontosa teto Mananjary renivohitry ny faritra Vatovavy ny fikaonandohan'ny Antoko MMM,nahatonga solontena avokoa ny distrika telo : Mananjary,Nosy Varika,ary Ifanadiana.
Fehin-kevitra maro no voaresaka avy amin'ireo mpizaika, izay hoentin'ny Antoko any amin'ny fikaonandoham-pirenena,ka isan'izany ny tsy maintsy hanatsarana ny tontolon'ny fifidianana,ny fitsinjaram-pahefana,ary indrindra ny resaka sosialy.
Nitondra hafatra manokana ny Filohan'ny Antoko MMM Atoa Hajo Andrianainarivelo fa tsy azo zarazaraina ny Malagasy,ary tsy fanaovana kajikajy politika ny fikaonandoham-pirenena fa fitadiavam-bahaolana ho amin'ny tombotsoa iombonana.






